Psalms 16

Ny fahatokiana an’ Andriamanitra, Izay fototry ny soa, na dia tonga aza ny fahoriana sy ny fahafatesana

Miktama nataon’ i Davida.

1

Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho.
2Hoy izaho ny amin’ i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao; 3Ary ny amin’ ny olona masìna ambonin’ ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra
Na: Dia izaho sy ny olona ambonin’ ny tany, Ary ny olona tsara laza izay sitrako indrindra.
.
4Ho be ny fahorian’ izay manova an’ Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin’ ny molotro ny anarany. 5Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako. 6Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin’ ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho. 7Hisaotra an’ i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin’ ny alina aza dia mananatra
Na: mamporisika.
ahy ny foko
Heb voako.
.
8Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo ankavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho. 9Izany no ifalian’ ny foko sy iravoravoan’ ny fanahiko
Heb voninahitro.
; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy.
10Fa tsy ho foinao ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita
Heb Sheola.
ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin’ ny
Heb hahita.
lavaka
Na: ho tratry ny lò.
Hianao.
11Hampahafantatra ahy ny lalan’ aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao ankavanana mandrakizay.
Copyright information for Mg1865